RAOZY MENA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAOZY MENA





Raozy soa miloko mena
no mahafinaritra jerena
ka satry ery homena
an'ny tiana fa harena.




Voninkazo metimety,
maharavo anay poety,
mampiainga vetivety
'tony andro misy fety.




Voninkazon'ny fahiny
mahalasa ho mpivahiny
mampahory ankehitriny
'tony ora ka aza tsiny.




Raozy mampahatsiahy
'rony any toa fanahy ;
raozy toa mahasahy
tia eto izay mba ahy.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1393 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115