REHEFA HIVALY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA HIVALY





Rehefa hivaly
eny am-paravodilanitra
ny vavaka natao
dia mba hiangaly
sy hidera an'Andriamanitra
ny hira ao ho ao.




Rehefa hivaly
eny amin'ny lala-nantenaina
ny ezaka rehetra,
tsy hitondra jaly
fa ny ambara ho lamin-tsaina
no avy hitoetra.




Rehefa hivaly
eny amin'ny oram-pitoniana
ny nofinofy maro,
lasa koa ny omaly
fa ny endrikendri-pitahiana
no tonga sy miaro.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
797 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0243