REHEFA MAHAZO FITIAVANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA MAHAZO FITIAVANA




Rehefa mahazo fitiavana
ny lalam-piainana rehetra,
tsy dia misy ny fandavana
fa metimety ny mitoetra.



Rehefa mahazo fitiavana
ny fo nisento tany ho any,
mitranga ho azy ny avana
mampiato ny orana izany.



Rehefa mahazo fitiavana
ireo asa aman'andraikitra,
moramora fankatoavana
izay atao, na manaikitra.



Rehefa mahazo fitiavana
ireo tebiteby izay mahazo
dia manjary mihamavana
ny misy sy miala ny tazo.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
684 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012