REHEFA MIANDIA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA MIANDIA





Rehefa miandia,
mitety tany maro,
tadiavina satria
harena ka fantaro.




Rehefa miandia,
mahazo zava-bao
tsapa ho minia
manilo tsotra izao.




Rehefa miandia,
manova ny fanahy
ho hafa ka mitia
vahiny lasa miahy.




Rehefa miandia,
misokatra ny saina
ka faly, matokia
fa mamy sy lalaina.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
605 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 11/01/2023 16:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146