REHEFA TSARA IANAO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA TSARA IANAO





Rehefa tsara ianao,
misy foana mankahala
mitady lava raorao
tsy mitsaha-manadala.




Rehefa tsara ianao,
misy foana manaratsy,
mamely tsotra izao
fa olon-tsy ampy vatsy.




Rehefa tsara ianao,
misy foana manakora,
ny saina, hatanjaho
fa mila rindra isan'ora.




Rehefa tsara ianao,
misy foana manakely
ka izy ireny, avelao
fa mijoroa ho modely.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
478 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0167