REHEFA TSY AO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA TSY AO




Rehefa tsy ao
ny fahamarinana,
tonga handao
ny fanambinana.



Rehefa tsy ao
ny fahamatorana
dia ho tsaho
ny tsara hizorana.



Rehefa tsy ao
ny fampivoarana
dia ho nofinao
ny hasambarana.



Rehefa tsy ao
ny fahombiazana,
'ndeha afaho
ny sedra mazana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
528 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123