SAMBATRA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAMBATRA





Na ratsy aza ny vintana
ka tsy ahitana fintana
mitobaka hanjonoana
ny tiana ho haravoana
dia sambatra aho, malala,
raha eo ianao tsy miala.




Na ratsy aza ny andro,
toa tsy be masoandro
mivimbina hazavana
sy ny mbola hafanana
dia sambatra aho fa arira
raha eo ianao mba mihira.




Na ratsy aza ny lalana
ka mila hoe mahalana
vao mba misy tsaratsara
dia izao no azo ambara :
sambatra aho, ry tiako,
raha eo ianao niriko.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1103 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 26/04/2013 08:07
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0199