SAMBATRA NY TANY (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAMBATRA Sambatra ny tany
miaraka amin'ny Ray,
lazalazaina izany
ho hafatra anankiray.
Sambatra isika
raha matahotra Azy,
ora manjopiaka
no ho hita ka fohazy.
Sambatra ny eto
raha ao Aminy moa
ka mbola raketo
ho fiadanana tokoa.
Sambatra ny asa
misy Azy lalandava,
ho to izay kinasa,
hipoitra ny mazava.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
