SIKINO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SIKINO





Sikino fahamarinana
ny fiainam-pirenena
dia ho fanambinana
no ho avy sesehena.




Sikino fanavaozana
hipoiram-pivoarana
ka mba handaozana
ny lalam-piakarana.




Sikino firaisan-kina
fa adidy iombonana
mivoy firahalahiana
fa tsy 'zay fialonana.




Sikino fahazotoana
ho azo atao tantara
rehefa fandrosoana
no indro re anjara !




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
840 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0192