TIAKO HOTIAVINA FOANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO HOTIAVINA FOANA




Tiako hotiavina foana
iny voninkazo nanaitra,
na dia efa aman-taona
no any fa tsy haitraitra.



Tiako hotiavina foana
iny tsikitsiky navelany
hampisinda ny saona,
na nikopaka ny elany.



Tiako hotiavina foana
iny vazivazy fanaony,
na anio tsy tafahaona,
toy izany irony lalaony.



Tiako hotiavina foana
iny lasa nahafinaritra
fa dia nandavataona,
mamy izay tsy aritra.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
670 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0176