TOMPO O ! (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOMPO O !




Henoy ange vavako
atolotro ho fitiavako
sy ataoko firariako
ho an’ilay olon-tiako,
nandratra fa tsy foiko
sy mbola antsotsoiko !


Tantano hatany hatrany
tsy ho potraka amin-tany,
tsy hitsetra velively,
na sanatria mba kely,
fa hihirahira foana
ho lavitry ny saona !


Ry Tompo sy Mpandahatra !
Tiako mbola hitsahatra
ny eso izay nomeny
sy ny latsa zary teny
nanindrona ny foko
nahakivy vao nisoko.


Enga anie, ry Ray,
ho tanteraka amin’izay
‘zao vavaka mangina
tsisy intsony ampiana…
Ho Anao anie ny Laza
sy ny Dera izay sahaza !
Amena !



Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Fitiavana
1147 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 31/01/2009 01:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137