TOY NY OMALY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOY NY OMALY





Toy ny omaly
ny fahitako anao
ka mba faly
ny fo fa tsy tsaho.




Toy ny omaly
ny fitia niarahana
maro molaly
fony nisitahana.




Toy ny omaly
ny dinika mizotra
ka miangaly
vazo kely tsotra.




Toy ny omaly
isika mihaona re,
mbola idealy
ianao izany ange.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
188 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0109