Ampidiro aloha ny tenimiafina
TSAROAKO FOANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSAROAKO FOANATsaroako foana
ilay isika sambatra
vao manoloana
toy ny manangatra.
Tsaroako foana
ilay isika niara-dia
vao eto moana
malahelo ilay fitia.
Tsaroako foana
'reo ora nahamaina
tena nahanoana
fony isika nangaina.
Tsaroako foana
'reo ranomaso maro,
tsy hay ahoana
fa sento mifangaro.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana - Fisarahana - Fiononana - Fiaraha-monina - fiainana - fananarana - Fampaherezana - Fahatsiarovana - Eritreritra mandalo - embona
