TSY FAY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY FAY





Ny olona tsy fay
raha tsy efa voa
vao lesona izay
tena mahasoa.




Ny olona tsy fay
raha tsy efa lavo
vao indro mahay
misondrotra avo.




Ny olona tsy fay
raha tsy efa resy
vao iny mandray
amboara misesy.




Ny olona tsy fay
raha tsy efa tara
vao tsy ny kakay
no hizotra tsara.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
691 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119