TSY HITA TARATRA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HITA TARATRA




Tsy hita taratra
ny asa andrasana
ka kotro-baratra
teny re no lasana.



Tsy hita taratra
ny oram-pivoarana
fa dia miraratra
ilay hasambarana.



Tsy hita taratra
ny nofinofy foana
fa mamahatra
fihemora-moana.



Tsy hita taratra
ny fanovana tiana
fa tsy takatra
ny zava-notakina.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
524 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0189