TSY HOENTINAO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HOENTINAOTsy hoentinao ny fitoniana
raha tsy miala ireo tebiteby
nampiaina ho azy fijaliana
mbola misy mandrebireby.
Tsy hoentinao ny fiadanana
raha tsy mamela moramora
ny ratra maro mbola tanana
namely ery dieny vao tanora.
Tsy hoentinao ny fitahiana
raha tsy ongotanao ny fery,
ny alahelo tsy hay tsindriana
nampahory hatrany samirery.
Tsy hoentinao ny fandresena
raha tsy hadinonao ireo vava
namopitpotika mafy ny tena
aman-taonany sy nandrava.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
