Ampidiro aloha ny tenimiafina
TSY HOTENENIKO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HOTENENIKONa dia mamiko aza ianao,
tsy holazaiko, na dia kely,
tsy hoteneniko, hoe, andao
hifampitantana, ry anjely !
Satriko loatra fa tsy mora,
mahazo sedra ka voatery ;
fitia iray tsy ho goragora
no voatahiry sy rako-pery.
Mihatakataka fa tsy azo,
tsy vazivazy fa tsy mety ;
aleo mangina fa ny vazo,
na mody lasa dia mitety.
Aoka hipetraka ato anaty
izay mba tsapako taminao
fa diamondra mandramaty
mitondra fiainam-baovao.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
