TSY MAMAFA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MAMAFA




Tsy mamafa fahatsiarovana
rehefa nisy mamy nentiny
sy tsy tiana ho fahalovana
antenaina tsy hisy pentiny.



Tsy mamafa fahatsiarovana
rehefa sarobidy ny tantara
mbola satry foana harovana
ho harena hatrany am-para.



Tsy mamafa fahatsiarovana
rehefa nisy sedra mazana
ny taona maro nandalovana
nitondra teny fahavoazana.



Tsy mamafa fahatsiarovana
rehefa nisy aloka nandavo
tany ho any sy nahatorovana
ilay fo kely tsy mba niravo.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
417 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 23/05/2024 21:58
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0262