TSY MANAN-TSAHALA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MANAN-TSAHALA




Tsy manan-tsahala
ny fitiavako anao
rehefa tsy mahalala
ka indro mihavao.



Tsy manan-tsahala
ny novolavolaina
ka jereo fa tsy miala
ny toky izay ilaina.



Tsy manan-tsahala
ny ainga mirona,
na dia be manadala
ny mbola milona.



Tsy manan-tsahala
ny vazo kaloina,
ny, hoe, mankahala
dia tsy koloina.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
304 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 13/03/2025 09:33
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0126