TSY MISY DIKANY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MISY DIKANY





Tsy misy dikany ny fahombiazana
rehefa tsy misy olona hizarana azy,
ny tany mamokatra toy ny ngazana,
ny fotoana rehetra mila hanasazy !




Tsy misy dikany ny fahasambarana
rehefa tsy misy olona hizarana azy,
fiainana fotsiny no manarangarana
fa toy ny raozy mbola anaty vazy.




Tsy misy dikany ny hoe : fitiavana
rehefa tsy misy olona hizarana azy
fa ho hetsi-po tsy ho fahasoavana
hampirevo foana ka mba fohazy !




Tsy misy dikany ny lamin-tsaina
raha tsy misy olona hizarana azy,
fa ho maivana ihany raha lazaina
ka dradradradrao fa tsy vazivazy.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
914 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0155