TSY MITONDRA FITAHIANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MITONDRA FITAHIANA





Tsy mitondra fitahiana
ny lainga izay nambara
ka toy izao ny fijaliana
ho an'i Madagasikara.




Tsy mitondra fitahiana
ny fitapitaka mitranga
ka manjary fahoriana
no be manangasanga.




Tsy mitondra fitahiana
ny zava-nosomparana
ka mahita hakiviana
ny isam-baravarana.




Tsy mitondra fitahiana
ny takona tsy fantatra,
na dia eo ny faniriana
te hahavita zavatra.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
684 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0124