VAO NIFANKATIA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAO NIFANKATIA





Vao nifankatia
izany isika roa,
tsarovy fa ninia
nandihy tokoa.




Vao nifankatia,
sarotra ny niala
rehefa nifangia
ireto fo, malala.




Vao nifankatia,
nipitika ny lasa
ka niova ny dia,
be ireo kinasa.




Vao nifankatia,
vaovao ny tany
ka eto aho; avia
tantanako izany.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
6 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 30/07/2026 00:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117