VAVAKA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAVAKA



( Ho an'i Madagasikara)



Tompo o !…



Hitanao ny zava-manjo
an’ity firenena,
fa loza mila tsy ho to
no mampahonena.



Hitanao ny ady saritaka
be tato ho ato,
tsorina fa nampangitaka
no irina ny hiato.



Hitanao ny fahantrana
mamely lava,
ovay, asio fahagagana
ho lasa sy rava.



Hitanao ny hanoanana
mafy dia mafy ;
ovao ho zary fiadanana
no hifafifafy !



Hitanao ny jaly rehetra
mila tsy ho zaka,
poteho tsy mba hitoetra
no tsy hahazo laka.


Amena !…



Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Vavaka
1433 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 09/02/2009 15:25
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114