VELON'NY FINOANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VELON'NY FINOANAVelon'ny finoana
ny zanak'Andriamanitra,
misy haravoana
mbola hita mamangitra.
Velon'ny finoana
amin'ny tany izay aleha,
na ny fanesoana
no mipoitra maro ange.
Velon'ny finoana
amin'ny zavatra rehetra
tia fanompoana,
n'aiza n'aiza no mitoetra.
Velon'ny finoana
ao amin'izay misy ahiahy
vao fitomboana
tonga ho azy ara-panahy.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
