VOLA NY FOTOANA 2 (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOLA NY FOTOANA




Vola ny fotoana
vao eto hitandro
ka ataovy foana
mety isan'andro.



Vola ny fotoana
iainana mangina
ka ny manoloana,
asio asa itokiana.



Vola ny fotoana
mandidy antsika
hisy voamboana
mafy raha adika.



Vola ny fotoana
vao hisy harena
hita hahamoana
toy ny volamena.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
223 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 29/07/2025 09:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0114