ZAVA-POANA (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZAVA-POANAZava-poana tsisy hanitra
ny fiainana eto an-tany
raha tsy Andriamanitra
no momba anao hatrany.
Zava-poana tsisy dikany
'zay rehefa tian-katao
raha tsy eo ny hiakany
mitari-dalana ho anao.
Zava-poana tsisy lanjany
ny harena izay katsahina
raha tsy eo re ny tanjany
miaro anao tsy ho pahina.
Zava-poana tsisy tsirony
ny hafaliana eny ho eny
raha tsy eo koa ny jirony
mitsilo tsara ombieny.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Commentaires
Nofy Ny Fitia
(
23/03/2016 21:01)
Tsar f tohizo
