SOKAFY NY SAINA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SOKAFY NY SAINA





Sokafy ny saina
alohan'ny vava
dia izay lazaina
ho matotra lava.




Sokafy ny saina
alohan'ny teny
dia hay deraina
mora ombieny.




Sokafy ny saina
alohan'ny tsiny
dia tsy ratraina
iny lesoka iny.




Sokafy ny saina
alohan'ny valy
dia tena hiaina
rehefa atotaly.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
391 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118