Atsimo sy Avaratra (fy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atsimo sy AvaratraIsan’andro vao maraina,
Ny tsikinao no fahitana voalohany,
Manazava toy ny masoandro mibaliaka,
Saingy ny ao anatiny… mifanipaka.
Ny masonao mitsirika,
Fa ny fonao toa manafina hatsiaka,
Mifampitazana anaty takona,
Toy ny atsimo sy avaratra tsy hifandona.
Tsy hainao ny milaza,
Fa ny fihetsikao dia mitantara,
Fitiavana ve sa fanadinoana?
Na fialana amin’ny olana tsy lazaina?
Raha ny tsiky no saron-tava,
Aoka tsy ho entina mamitaka,
Fa tsara kokoa ny marina mangidy,
Noho ny mamy feno fitiavan-dalitra.
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
