tonga indray (gasitiako)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tonga indray
lay andro iray
zay mampivadi-po sy mamaky loha
ka mampifoha ireo tsiahy
ho ahy sy ny fianakaviana
miaina anaty hakiviana
hiatrika indray
satria tonga indray
lay andro iray
andro tena mety ho an\'ny olona
satria fety ka efa samy vonombonona
@ lafiny rehetra
@ fandaniana tsy voafetra
ny ahy kosa
ny alahelo no miavosa
ny eo am-pelantanana foana
ny kibo trotraka sy noana
misy ihany anefa ny itovizana
zay tsy mankaleo na mahavizana
dia ny fiderana an\'ilay Zazakely
satria Noely

aza kivy anefa ianao fa tiako
satria malagasy, gasitiako

vetsovetsonay
zay mitafy voronkitsay
rehefa tonga ny andro iray

nosoratan\'i gasitiako
--------
Rohy:
937 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : gasitiako
Nampiditra : gasitiako
Daty : 16/12/2005 13:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013