Dimy-Dimy, folo (Haja Pim)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vitao ny dimi-taonanao, ka efaoAza asiana fery be, raha azo atao
Mba asio sombintsombiny ho an'ny maro
Oe mba namela ihany ianao, ho tsiaro
Raha ilay dimy lasa teo aloha, dia hirifiry
Zary hantsana lehibe sy mankadiry
Ireo velirano maro, izay natao
Toa tsy niserana akory dia nandao
Misy ireo nisafidy, manantena
Ho fandrosoana ho tontosa, miavosa
Miandrandra ilay teny ho fanekena
Ho tanteraka ny nofy, tsy ho osa
Ao ireo tsy nisafidy, fa voatery
fa safidin'olom-bitsy, toa an-tery
Satria izay no fifehezana lalàna
Dia manjaka aloha izy , fa tsy tana
Dia fero hatreo ny folo, ampy izay
Aza mieritreritra hafa, sao mihoatra
Sao ihevitra eo, hoe mandrakizay
Satria ireo malagasy maro, tsy hitraotra
Dimy-dimy folo
Ampy izay
Fa tsy dimy amby roapolo
izahay no fay!
--------
Rohy: