POETY (just my thoughts)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Moa mba efa fantatrao irony antsoina hoe Poety?
Efa mba nihaona tamin'izy ireny moa ianao?
Angamba nisy tena havana amin'izy ireo na mety
Ho sakaiza mpifanolo-bodirindrina aminao

Nefa hitako izy ireny toa tsy dia miolonolona
Mba tahaka antsika ihany fa tsy sampona tsy akory
Manana n toetra tsara sy kilema toy ny olona
Manana tezitra na faly, manana ny mahaory
Ta hamaly ianao angamba fa ny soratra nalahany

Izao no setrim-pitenenana azoko amaliona izany
Ny Poety tsy milaza na mitory tena anie
Fa mitory teny kosa sy mamaofy ny eto an-tany
Ka mamatatra ny ho avy sy mamoha ny ela be

Sambatra ny firenena manana Poety maro
Izay haneho ireo fanaony sy fisainan-tsarobidiny
Mitahiry koa ny teny tsy ho simba na hiharo
Ammin'ny an'ny olo-kafa raha tsy efa dia tsy fidiny

RAKOTOJAONA . JOB
(IN Gazety Dina, lah.27, Zoma 17/01/75

trouver sur facebook(christian antonio)
--------
Rohy:
872 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : just my thoughts
Nampiditra : dagomainty
Daty : 07/05/2013 19:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142