Ny lalam-piainana... (kanto sarobidy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
misy fo iray tomany,foana mitarainamiaritra ny jaly izay mandrotika ny saina
misy fo koa malahelo,mandrotsaka tomany
mitaraina hatrany noho NY hetraki'ny tany
misy saina iray manjohy,tsy mety manadino
ny zavatra niainany, ka nivadim-po tsy nino
misy saina koa tsy laitra,mikiry ny ho tiana
na efa ka nilaozan'ito olom-panirina
misy kosa ny fanahy,mahay mamela heloka
mahalala tsara ireo tomany sy ny setroka
koa raha tezitra ny FO ,sahirana ny saina
dia fanahy no fahendrena,fitaovan'enti-miaina..
--------
Rohy:
Sokajy :
fiainana - Aingam-panahy
Mpakafy:
kanto01