…roa… (Kens Andrianjafy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho anareo roa no nanoratako ity
tsara tena kanto ny mifankatia
mifankatiava hatrany mifandefera koa
ka izay kinasa ho tanteraka, ho to

Fa andro tena tokana iray amin’ny taona
indrindra hoan’izay afaka mihaona
ny lavitra kosa, miantsoa dia mba mihafy
tsy handeha ery sy eroa, ilaozana mampirafy

Mahaiza mankafy na ny lahy na ny vavy
na ianao mahia, botabota, matavitavy
fety ho anareo roa ny andro anio izao
mazotoa mandihy, matory dia milalao

Eny ary aloha samia ho tratry ny manaraka
ka ianareo roa nofy raha hisaraka
fa hiaraka doria, hifanampy hatrany hatrany
tsy hisaraka satria efa sambatra an-tany

Kens Andrianjafy, 14 febroary 2013
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
139 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Kens Andrianjafy
Nampiditra : fetrakens
Daty : 27/08/2025 08:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0108