Mangataka "FAHENDRENA" (Lalaharison havotraniaina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireo zavaboahary,Nataon'ny Zanahary,
Isika no voatendry,
Hiasa sy hanendry.
Hitandrina hiasa,
Hanapaka hampiasa,
Isika no mandidy,
Nomena ny adidy.
Saina vatana fanahy,
Olombelona izany,
Ambony sady tsara,
Ambony fahalalana.
Miavaka isika,
Tsy toy ny zavaboahary,
Navahan'ny Mpahary,
Avy amin-janahary.
Masina ny adidy,
Nomen'ny Mpahary,
Mila fahendrena,
Mangata-pahendrena.
Mpanoratra: LALAHARISON Havotra Niaina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Lalaharison havotraniainaNampiditra : havotraniaina
Daty : 19/12/2025 15:29
