Hevitra momba ny Ny ranomasoko

Hiverina amin'ny Ny ranomasoko
Mysento ( 10/09/2009 10:48)
Aza,atao ,betsaka ny ranomaso raraka.
fahamarinana ( 10/09/2009 18:26)
Misaotra akia Maeva a,tsara be ilay Aingam-panahy na somary mampalahelo aza

Ny ranomaso miserana ihany
Tahaka ny ngidy sy ny mamy
Mandalo tsy mitoetra
Tahaka ny ratsy rehetra

Mahereza rahatoa ka osaosa
Ny tolona miandry sy miavosa
Ny fiainana tsy maintsy mitohy
Na lasana ,dify sy namoy
Ilay nantenaina sy tsy foy !!!

Faha
rhina ( 12/09/2009 14:32)
tena nangidy mints ny rorako reto namaky anle tonokalo a
sad misy radio maneno koa ato dmande l iran'i Ny Ainga oe : ... hanody anao ny alelony ...ny ranomasony.... ny tsikitsikiny .........
tena msento mints a

mahereza e!
Mysento ( 12/09/2009 14:43)
Inn le alelony (hanody anao ny alelony...)
tsial ( 13/09/2009 13:57)
vidin-dafo
ny vongan-dranomaso
ka ny latsaka anio
lafo vidy ,tadidio

koa manombok' eto
soloy tsiky izany sento....

Mampiloaka ny ao am-po ilay tononkalo na dia tsy mpanoratra aza tena ilaina ilay manafatra fa tsaratsara kokoa ny tsy mitahiry am-po
fahamarinana ( 13/09/2009 16:28)
tsial : nefa izay mianatra tsy mitahiry ao am-po izay hany ka sarotra sy mafy e !Indrindra rehefa tena narary ilay izy ,na resaka fitiavana olon-droa na olona maro sy olana maro dia voakasika daholo !
Faha
rhina ( 14/09/2009 05:32)
alahelony ilay izy fa diso tsipelina aho ry Mysento a!!!
tsial ( 14/09/2009 11:17)
fahamarinana ah! ka izany indrindra anie no amoahana ny ao am-po te hiloaka tsy amin'ny sento sy TOMANY e, fa kosa @ ainga-panahy feno tsiky
fahamarinana ( 15/09/2009 13:54)
tsial :eka !marina loatra !Fa raha ilay tena ao am-po tsy miloaka no avoaka ,indrindra ka tena ilay alahelo tsy hita popoka dia manaraka ho azy ny sento sy tomany ! Tsy tafasaraka ireo r'ise a,izay indrindra ilay hoe "sentiments" voalaza e !! Mandravaka,manimba ,manazava,mampanembona !Nefa ilaina avoaka rahateo !
Sambatra be izay mahavita mamoaka azy amin'ny Aingam-panahy feno tsiky !Ekena fa izay no lafatra indrindra fa raha ny tenako dia tsy mahay izay ! Mba te hianatra e ! :-)
maeva74 ( 15/09/2009 16:09)
Misaotra antsika rehetra indray e!

Mysento:
Ny fihetsem-po na tsara na ratsy dia mitondra ranomaso avokoa koa na ferana tahaky n' inona ary dia mirotsaka foana.

Faha:
Ny ranomaso tokoa dia miserana ihany toy ny ngidy sy mamy fa tsy eo mandrakariva koa.

Rhina:
Tena manody tokoa ny alahelon' olombelona ka aza mba voany ihany isika fa tena ratsy ny arahin' alahelo.

Tsial:
Raha sahala amiko aloha tsy haiko ny maneho ny alaheloko amin'ny fo falifaly izany, ary ratsy tokoa ny mitahiry am-po ka izany no hamborahina azy ka tosik'ilay alahelo voatahiry tao am-po no nahatonga ilay ranomaso nipatrapatraka nikoriana nanaraka ilay tava
Tena sambatra izay mahay mamoaka ny alahelony amin'ny hafaliana satria fihetsem-po samihafa ireo zavatra roa ireo.

Maeva74
fahamarinana ( 15/09/2009 20:43)
Ary mety tsy dia maro no mahavita an'izay an !
Ohatra lazaiko anareo fontsiny hoe ny tenako zao tsy mba mahasoratra raha tsy anaty alahelo na fahamaizinana na nisedra zavatra mafy tsy voavaha !Mba tiako ery hoe tsidihan'ny Aingam-panahy ary indrindra mahavita manoratra amin'ny hafaliana sy haravoana fa ehe !.. misy raha tsy ho hay mihintsy angambany dia io anisany tanteraka !Raha ny amiko no zaraiko anareo e !!
Faha
tsial ( 16/09/2009 14:21)
tiako be ilay tononkalon'i Meva74 ka sady nankafy za no nandefa eritreritra hoe:

Raha toa ka izaho
No misedra toy izao,
Hosoloiko tsiky ny tomany
Eny na dia sarotra aza izany;
Tsy hataoko hita soritra ny fahoriako
Satria ho ela velona no faniriako.

Na mangidy tsy ho tanty,
Na mandoro ny ao anaty,
Na mibosesika manery,
Tsy maninona! ataoko an-tery,
Ny fiovana vetivety
Hataoko satria, heveriko ho mety.

Mpandalo no solon'anarana isalorako

Mankasitraka ny hevitrareo rehetra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0092