Tsiaro an'i RADO (rainianja)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lasa...Izay no azo ambara
An'ilay olo-mangan'ny tantara.
Asa,
Raha tsaroan'ny olona
Ireo teny notononony
Nanavotra ity tany
Nitandro filaminana
Nanampy hatrany hatrany
Toa andry nihankinana.
Lasa...
Ka hisy mpisolo?
Iza no vonona amintsika tanora maintso volo?
Maty...
Ilay nampianatra ahy niteny
Nampianatra, hanoratra ireny.
Vao kely dia ireo hirany no tao am-bava
Tononkalo kely no nialana nibada.
"Voahangy mitoham-bolamena,
raha misaraka tsy ampy ho Rado"
raha Ianao re no handao ity Firenena
izahay taranaka no mety ho bado.
16_09_08
--------
Rohy:
Sokajy :
Fahatsiarovana
Mpakafy:
mahefakely