Fa .. mbola tia aho no nilaozanao (Manahirana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa mbola tia aho no nilaozanao
teo am-pakana fihy izany hatao hoe "fitiavana"
manina anao hatramin'izao
nefa..te hanadino ,hamadika ny pejy sy hiova lalana

nitolona tsy hisaina ireny andro ama-mbolana
nifamatoran-tsika roa
fifaliana ,tsiky ,tsy nisy olana
fahasambarana avokoa

fa .. mbola tia aho no nilaozanao!!!

feonao manako anaty sofiko
fofonao tsaroiko, manitra aok'izany
halokao miseho anaty nofiko
tena mbola tia aho ,tianao hatrany

lalana ,toerana halehako
hatazanako anao etsy sy eroa
endrika mitovy hierehako
mbola tia aho, tianao tokoa !

eny .. mbola tia aho no nilaozanao !!!

matetika aho manirery
hisaina ny bikanao lava sy ranjanana
endrikao anjely ,anjely
ianao ily vatan'ny fitiavana

resin'ny foko zany saiko
ianao irery ihany no zava-dehibe
ny anaranao no tanisaiko
malalako miverena re !!

Manahirana 29
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1651 1
Mpakafy: mirananirina
Hevitra mandeha
mirananirina ( 12/11/2010 15:09)
Tena tsara be,mahalatsa-dranomaso
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Manahirana
Nampiditra : Manahirana29
Daty : 05/11/2010 22:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0971