SAINA (Mbiou)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Entaniko ianao, mba hanangana SAINA.FOTSY MANJOPIAKA taratry ny maraina:
Mandry fahalemana, anaty firaisan-kina,
Mitovy fijery, tsy maneho fiamboni(a)na.
MENA MIDOREHITRA, hanehoana ilay fitiavana,
Hanomezan-kasina ny rĂ nalatsaky ny razana.
Ilay niady sy nitaky, hahazoana fahafahana.
Hahaleo tena, tsy hisy intsony fanjanahana.
Ary MAINTSO MAVANA , toy ny atin'ny ala,
Endriky ny tontolo, sy ny fanantenana.
Ka taomiko ary isika, iangaviko re ianao:
Mba fotsio hanjopiaka, sy aredaredao,
Mavano ihany koa, ka hihavao hihasoa.
Ilay Tanindrazana malala: Madagasikara soa.
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
Mpakafy:
Mbiou
