AMIKO ( Album Aina Nafindra ) (MIRA ANDRIAMAMPIANINA)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMIKOAmiko ny Ray
Mikely aina fatratra
Mampomba an-tambitamby ,
Mamy ka tsy foiko
Tsy mahalala sasatra ,
Mpibedy sy mpisangy .
Amiko ny Reny
Mitondra folo volana
Misotro ny tsy tiana .
Tsy haiko hosoloina ,
Mpamaha irony olana .
Mpizara fifaliana .
Amiko ny vady
Afaka manoro
Mitantana ny diako ,
Manolotra ahy fitiavana .
Mafy tsy hikoro !
Dia izay no fifaliako .
Amiko ny zanaka
Manolom-pahendrena
Sy miezaka hanoa ,
Mikendry hamalifaly ,
Mahay manetry tena...
Dia fifaliako koa .
Amiko ny namana
Vonona hifanampy
Tsy miandry valisoa ,
Tsy tia misorontsorona
Milaza ny tsy tanty...,
Dia namana tokoa .
Amiko ny taniko
Dia ny toera-niaviako
Nahazoako fahafahana ,
Nahalatsahan'ny tavoniko ;
Nefa koa mbola hodiako
Nofihinidiko hifaharana .
Amiko ny teniko
Nahatsapako ny sahaza
Sy nahaizako nitia...,
Nibadako hoe: " Dada"
Holalaiko lalandava
Fifaliako ho doria .
Ny Raiko sy ny Reniko
Ny Vadiko , ny Zzanako
Ny Taniko , ny Teniko!
Dradraiko tsy afeniko ;
Lalaiko koa fa tiako
Sy antom-pifaliako .
1991 . MIRA Andriamampianina
--------
Rohy:
Sokajy :
Fahatsiarovana
Mpakafy:
SANAKERIB
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MIRA ANDRIAMAMPIANINANampiditra : SANAKERIB
Daty : 10/10/2024 08:25