diso aho ve? (MURAT ANTONNIE)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Diso aho ve?
Raha hindrana ny taratasy sy ny peniko?
Mba ho entiko anambara
zany bitsiky ny fo
zay efa ele no nafeniko

Diso koa aho ve
raha hindrana ny sofinao
raha hihaino izay lazainy
Sy ireo zay vetsombetsony ao?

Eny diso aho angamba
fa ho teneniko ihany izao
dia ny fitiavan'ity fokko
izay miantefa any aminao

Eny, tsy maninona aho raha diso e!
f'iteny ihany aho ka hikiry
fa ny fanirianay anao anie
ka efa ela no nitsiry

Koa asa re raha sitrakao
ny hevitry ty foko adala
fa na iantsoany anao koa
novainy anjara ho malala

Fa ny tena tiako ho fantatrao
sady hamaranako ny teniko
ny tao ampoko rehetra tao
dia tsy mba nisy izay nafeniko
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1783 2
Hevitra mandeha
Rakotojean ( 01/11/2015 04:57)
Tsara be mihintsy.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MURAT ANTONNIE
Nampiditra : miralafatra2
Daty : 23/10/2015 07:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0109