Ny hafatr'Andriamparany (Nomena Anjaratiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hoy i Andriamparany :

« Miomana aho anio ho atao veloma farany,
Fa hanohy hisaina ny fisiako any ambadika any ho any,
Hikatsaka ny fahamarinana tsy hita ety an-tany.

Koa ny hafatra apetrako,
Aoka tsy amaivanina ny fomba sy ny toetrako.
Tsisy tokony ho kivy amin’izay mba hetraketrako,
Raha nisafidy aho ny handao sy hisaraka amin’ny nofoko,
Hifindra tontolo hafa, hanohizako ny nofiko.

Ialako ianao, ry nofoko,
Vatam-paty nitoerako.
Matesa ianao fa tsy itserako,
Fa anio aho vao tena iaina.
Tsy misy vatana mangedra,
Sy filàna mampimalo,
Satria fanahy hendry sy mateza
Ilay mitoetra, tsy mpandalo.

Ity koa no aza adino :
Ilay nofo mangatsikako aza atao veloma farany,
Ataovy hoe : « Matesa farany »,
F’efa faty aho no hitanao nirihariha tety an-tany,
Tsy nahalala fahasambarana,
Fa faharesena sesilany.

Koa aza misy malahelo,
Fa tsy maty aho tsy akory,
Fa hiova ho avelo,
Tsy mba hanan-tsorisory.

Ary entiko manaraka ahy
Ireo hira soa fiventiko,
Mba ho kaloiko rehefa tsiahy
Ny hafaliana sy ny sentoko. »
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
17 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nomena Anjaratiana
Nampiditra : Nomena3697
Daty : 20/10/2026 17:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0097