Anjaranao (Ny Ando)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANJARANAO
Anjaranao rahavako
Ny miara-tsambatra amiko
Vao mainka tena mamiko
Hamerina amin'ny tavako
ny tsiky nosomparana
nanidy varavarana.

Anjaranao, ry aiko
Ny mba mifampizara
Fitia tsy voarara
Satria tsy ho haiko
ny hiaina irery fotsiny
na dia voarotsirotsiny

Anjaranao, ry tiako
Ny miara-miondrika amiko
Hamafa ny tomaniko
Hitantana ny diako
Fa sao dia hihosom-bovoka,
... ho potika sy boboka
NY ANDO
--------
Rohy:
1808 0
Hevitra mandeha
rafilozofy ( 09/09/2004 14:13)
Voalohany dia ialana tsiny ho an'izay namaky ny ANJARANAO voalohany fa nisy tsy fahatontosany hatramin'ny farany noho ny antony ara-teknika. Koa indro izy atolotra anao amin'izay ary manasa anao hanome soso-kevitra momba izany.
Tononkalo natao ho valin'ilay tononkalon'i Ny eja hoe TENY MAMY izay hirain'i TOVO J'Hay izy io. Ka mazotoa daholo mamaky sy maneho hevitra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Ando
Nampiditra : rafilozofy
Daty : 09/09/2004 14:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151