SERANA (Ny An'Ny Tena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injao fa manery mitrebona am-po
Ilay fitia nalevina noheverina ho lo,
Nantenaina ho faty efa hatry ny ela,
Hay, indro ankehitriny, nifoha ny tavela.

Tsy hay ny hoaviny mbola ankamantatra
Aloha ny hany hay dia io ao fatratra,
Mandona tsy miato manavotra aina
Fa niserananao ilay fo efa maina

Mirary, maniry ny haharetany hatrany
Sanatriavina mihitsy izany fitia ho lany
Ivavahana mafy tsy halaky hitolefika
N’aza rivo-doza ny sambo tsy ho fefika.

Ny An’Ny Tena (Antananarivo 02 Martsa 2022)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Fitiavana
204 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny An'Ny Tena
Nampiditra : NyAnNyTena
Daty : 08/08/2025 07:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0112