Commentaire à propos de Fandresena mahonena

Revenir à Fandresena mahonena
bichette ( 25/08/2004 17:35)
tsy ampy sakafo ny malagasy koh !
arcane ( 26/08/2004 11:01)
Adin'ombalahy hono, ny maresy hobiana
Ny resy akoraina, ny fanao androany
No fanao fahiny : mitehaka mangina
Ary manankiana ny lavo amin'ny tany
Fa tafina hetsika sy tsikitsiky izany
Satria miampita amin'ny haino aman-jery.

Ny olona mijery no mametra hatrany
Ny fefy farany izay takatry ny hery
Hahafahany miteny fa ny fireneny
No ambony indrindra ombieny ombieny,
Tsy kilalao izany fa tena ady ireny !

RaMalagasy sy ny fahendreny ?
Tsy hoe nangasihasy, tsy hoe nangeniheny :
Fa kilalao ihany ka tsy aleo enti-mora ?
Na resy na mandresy tsy hisy anakora !
NyKanto ( 26/08/2004 12:42)
Setriny ho an\'i (Arcnae)

Iza moa no ho faty raha hikasakasa
Hihoatra ny tsy takatry ny aina ?
Fandresena, fandresen’ny very saina
Satria ny fitaka no maka laka

Ny mandresy ekeko fa fihoby
Ny resy koa ho fanakora
Fa raha jerena tsara dia bakora
Ny medaly iambozonany ho tola

Fa miala anie Rafahendrena
Raha vao tonga teo Ravola
Mitampify Rafanetrentena
Anjakazakan-dRafandresena

Dia inona hoy ianao no tokony hatao ?
Tsy hozaraina roa ve ny lalao ?
Iray ho an’ireo olontsotra ts’isy fitaka
Ny hafa hoan’ny mpilalao mpamitapitaka
Amin’izay dia itehafako ny fandresena
Satria zara-mira ireo hery ifanandrinana

Ny Kanto.

Ajouter un commentaire
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0091