I Madagasikaranay (Ny Randry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry Ray Tsitoha mpahary anay
Misaotra sy mankalaza izahay
Fa nomena sy nambinina,
Ka nivelona sy nonina
Teto amn’ity Gasikara
Nosy mankadiry sy tena tsara

Malagasy no razanay
Napetraka teto hatrizay
Ho tompony sy mpandova an’I Madagasikara
Ny taranany sy ny zanany ama-para

Ho deraina manokana
Ny fahendrena tena tokana
Fitiavana sy fihavanana
No soa toavina niavahana
Fahizay fahizay
Ho lovaina mandrakizay

Raha misy koa eran-tany
Firenena teny mamy
Kanto sy meva aok’izany
Dia I Madagasikara
Ankalazaina sy ambara
Fa Nosy tena paradisa
Fialana voly sy ireo disadisa

Fa raha I Gasikara sy ny tantarany,
Dia niovaova tsy nisy farany,
Mikofoka mafy mioitra tokoa,
Miandradra maso an’ilay Tsitoha

Taona maro izay no nifanesy
Niadiana foana mba handresy
Ny FAHANTRANA sy ny FANJANAHANA
Mba tsy ho tandra hahazo vahana
Hiandrandrana fitoniana,
Hialana fitomaniana

Tsy takona ka ho afenina
Reo Razanay nitolona
Niady mafy, nipenipenina
Niady mafy ny maha-olona

Ankehitriny dia tsy afa-bela
Ianao ry Madagasikara
Satria toa tarazo sy tavela
Ny fomba fihevitra mampizarazara

Dia lasa fomba sy fanao
Ny hanjakana zarazarao
Fitiavan-tena, hambo-po
Diso toerana sy vato fo
No indro mibahana,
Mandrara ny fa hafahana

Ny tena mahonena?
Ny fanangonan-karena,
Voninahitra no tanjona,
Fieboebona tsy mijanona,
Ny fanapenam-bava,
Fanagadrana lava,
Ny fitiavan-tseza sesehena,
Ny fifanenjehena, faneriterena,
Ny fifandrafesan’ny piara-belona,
No ambolena mba handevona,
Ny soa toavina teo aloha,
Dia lasa nitodihana ivoho.

Ry Zanahary o mombà
Ry Razanay mitahia
Avereno indray ireo fomba
Fananaranao ireo mania
Ireo milaza ho mpitondra
Ilazao sy ampafantaro
Fa ianareo anie no mpandrindra
Sy tompo-kevitra Mpiaro
Alamino izahay
Fa efa tsy mahay
Tolory saina Hendry
Ka hionona amin’izay voantendry
Sakano ny sain-dratsy
Handripakanay atsy ho atsy
Satria dia ny sandrinao mahery
No itokianay irery

Zao ny ahy ry Madagasikarasoa
Tany mananjina sy masina tokoa
Raha mbola misy koa ny marina
Dia hijoro ianao ka hiarina
Ary loza sy ozona
Ho an’ireo olona
Manao fanahy iniana
Ka mampanjary ny tsy fisiana

Ny Randry (07/04/11)
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1010 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Randry
Nampiditra : alarandry
Daty : 01/06/2011 13:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136