FAHANGINANA, AMPINGAM-PITOLOMAKO! (Ny_Vetso)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tantara tsy hay hadinoina,Tantara tsy maty vonoina ny fahiny.
Satria nametraka tantara tsara
Ho antsika zanaka amam-para.
Tsy hitanisa intsony aho,
Aoka hivalona any izany.
Tsy sanatria hodian-tsy re,
Na hodian-tsy hotsaroana.
Fa efa vita ny azy ireo,
Isika indray no hanandram-peo.
Moa ilay tolom-panafahana
Notakiany tamin’izany
Avelantsika ho karankaina ?
Moa ny fiainam-pivavahana
Hiainantsika amin’izao,
Avelantsika ho very maina ?
Soa fa mbola velon’aina, salama vatana sy saina.
Izaho sy ianao no toy izao?
Tombon’andro tena miavaka
Natokana ho ahy sy ho anao.
Andao hotohizana ny TOLONA!
Hiady ho an’ny Tanindrazana.
Tsy avelantsika ho tany ngazana.
Fa hiady ho amin’ny FAHAFAHANA
Arahantsika FIVAVAHANA.
Ry Malagasy namako o!
Moa FAMPANDROSOANA no tian-kajoro?
Mianga avy amiko sy avy aminao
Izaho hivavaka ho anao, ianao hivavaka ho ahy!
Hifanabe, hifanoro, eny, hifampikolokolo.
Ka izao no tadidio :
Raha ny amin’io TOLONA io?
Avelao i Jehovah no hiady fa isika kosa hangina.
Andeha hatsahatra ny talaho…
Andao hampanginina ny « IZAHO ».
Fa raha izany no tanteraka…
Ho Malagasy tena miavaka.
Notefen’ny fiainam-bavaka.
Ary ho fiainana tsy misy tomika no hiatrehantsika ilay ampitsontsika.
Ka hafatra ho ahy sy ho anao :
Aza miahotra akory mampita ilay “Fanilo”
Ho an’ireo taranatsika.
Ka na ho sombin-danitra aza i GASIKARANTSIKA.
Dia tsy hisy anankiray ho tamana,
Fa samy handova ilay tany KANANA.
Rango-penin'i Ny Vetso,
17 Martsa 2019 tamin’ny 10 ora alina, nasiam-panovana ny 06. 03. 2025.
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
