FITIA VOARARA (R.E)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana moa isika no tsy navela iara-dia. Ary norarana an-tery setra mba tsy hifankatia.
Ireo lehibe mantsy no avy hatrany dia nandrara.
Dia aleoko tsy tohizana fa izay no efa anjara.
Tsy aiko ny hanadino ireny lasantsika ireny.
Ka mamisavisa sisa sy mangina tsy miteny.
No mba azoko atao rehefa mahatsiaro.
Ka mamono heritreritra amin'ny hira mifangaro.
Raha fantatra mialoha,fa fitia voarara.
Dia naleoko nionona fa efa tsy anjara.
Saingy aty aoriana vao ambara fa tsy mety.
Ka hiteraka alahelo tsy hisinda vetivety.
05/03/19
R.E
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
RahHope - rahesperent