Voambolan'ny foko (Rahomainty)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny voambolan'ny foko


Fitia miboiboika any anatiko any
Mahery fiainga toa ampitritra ny tany
Fitia mankadiry tsy manantsahala
Toa tsy hita fiatomboka, tsy hita fiafara

Fa ezahako ambara @ao 'lay fitia
Ezahiko ambara satria mankahia
Ra toa ka kobonina
Na tazotazomina.

... toa tsy ampy kanefa raha ny a, b, d
No amoronako teny anehoako fitia
Satria voambolana hafa, tsy mba fitàfa.
No mbola hoforonina sy ho tononina.

Fa ny voambolan'ny foko dia tsara loko
Tsy hay tanisaina, tsy takan'ny saina

Fa nalaiko daholo ary zay teny fantatro
Zay kanto indrindra mihitsy no natambatambatro
Nefa indrisy fa tena voafetra
Tsy nahafehy azy ny teny rehtra

Dia hofeheziko ihany @teny vitsy monja ary.
'Zay ato am-poko manonjanonja
Teny vitsy monja fa malaza ihany
Ny tena hevitra mafonja
koboniny any anatiny any.

Satria tena mitalao
Lay fokokely adalanao
ka miteny toy izao:
Tiako ianao



Rahomainty
-Antsirabe 26.05.2012-
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
817 1
Mpakafy: Rahomainty
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rahomainty
Nampiditra : Rahomainty
Daty : 04/09/2014 06:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013