ny lalako (RAKOTOMAHEFA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireo hira noventsoiko,
nataoko hanako anatiko ato
no mba tiako ka kaloiko
ho ventesiko tsy miato

Ny foko izay mitempo anaty
no mamorona mamboatra
ny aingam-panahy tsy ho faty
fa isan'andro dia hoavoatra

dinihako am-pitoniana
ny fizotr'izany lalako
'mbetika izy fihafiana
hinoako tsisy ny ho sahalako

fa toa misitery ombieny
ny ampitso izay tsy tsapako
tsy miafina fa hatrehana eny
miseho ho azy izay tsy takako

manoratra aho mba ho tahiry,
mba ho fandraisana anjara
hinoako fa tsy misy haniry
ny tsy hametraka tantara

anjaranao no mampihatra
ireo famehezan-tena
ka ny zava-tsy ahazatra
ireo no tsara atao ombieny

ka manoratra aho ho baiko
ho arahiko atsy ho atsy
izay mba fanirian'ny saiko
ireo no mba ataoko vatsy

resi-lahatra aho hanohy
hatomboko @ fanavaozana
ireo naman-dratsy dia hafoy
f' ireo nanampy tsy azo hilaozana
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Aingam-panahy
15 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAKOTOMAHEFA
Nampiditra : micka53
Daty : 13/03/2026 11:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118