Ampidiro aloha ny tenimiafina
NY AKAIKINAO (RANDRIANANTENAINA Tsilavo Franck)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andriamanitra o, henoy, izao vavako izaoNy fiainako rehetra, no apetrako aminao
Maniry mafy aho ny hoe: "Ianao no homba ahy"
Ho toky sy fanantenako, ho ahy mandrakizay
Fiv: Eny re, ry Jesoa, inty aho manolo-tena
Ny amiko tontolo mba ho fehezinao
Matoky aho fa ianao no hany famonjena
Ka sambatra, finaritra ny eo akaikinao
Tsy misy izay tsy hitanao ny fiainana ety
Na velon-kafaliana, na vesaram-pahoriana
Inoako fa raha ianao, Mpamonjy be fitia
No eo mba ho mpiaro ahy, dia tsy hanam-panahiana
Mpanota aho, tsy mendrika ny atao hoe zanakao
Fo vato no nameno mbamin'ny haratsiam-panahy
Kanefa noho ny haben'ny famindram-ponao
Dia indro aho tsy hisalasala ny hanatona indray
--------
Rohy:
Sokajy :
Vavaka
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : RANDRIANANTENAINA Tsilavo FranckNampiditra : franckrandria
Daty : 16/10/2026 09:02
